Quantcast
Channel: L'Express de Madagascar
Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

JMJ Fianarantsoa – Tao Ambatomena i Masimbavy Thérèse-n’i Jesoa Zazakely

$
0
0

Fahasoavana miampy fahasoavana. Safonofoky ny hafaliana omaly ireo tanora katolika mpizaika namonjy sy miaina ny andro maneran-tany ho an’ny tanora na ny JMJ izay tanterahana any Fianarantsoa ankehitriny. Nigadona omaly tolakandro tany an-toerana mantsy ny sisan-taolambalon’i Masim­bavy Thérèse-n’i Jesoa zazakely sy ireo ray aman-dreniny izay niala teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly tamin’ny 10 ora maraina. « Tao Ambato­mena izy telo mianaka no namantana ary nalefa tao amin’ny Katedraly Ambozon­tany avy eo », raha ny tati-baovao azo avy any an- toerana.
Araka ny fandaharam-potoana fantatra dia ao Anosy, kianja malalaka iray efa nomanina, izy telo mianaka no ho hita sy azon’ireo tanora katolika hangataham-bavaka sy fitahiana anio asabotsy. Harahana alim-bavaka ao an-toerana izany manomboka ny takariva mandra-maraina. Mbola ao amin’io toerana io ihany koa no hanatanterahana ny lamesa famaranana ny JMJ rahampitso alahady maraina ary efa samy manana ny fandaminana amin’ny famonjena izany toerana izany avy ireo tanora mpizaika.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Trending Articles