Quantcast
Channel: L'Express de Madagascar
Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Fampianarana ambony – Miroborobo ny fampiarana ampitain-davitra

$
0
0

Mirona amin’ny fampianarana ampitain-davitra ny ankabeazan’ny fianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara indrindra any amin’ny onivarsite tsy miankina amin’ny fanjakana. Hanao hetsika fampahafantarana ny sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana andiany faha-13 ho an’ireo mpianatra vao afaka bakalôrea farany teo ny Mada jeune amin’ny 22 sy 23 septambra ho avy izao izay hatao ao amin’ny lapan’ny kolon­tsaina sy fanatanjahan-tena Mahamasina.
« Tena nampiavaka ny he­tsika fampafantarana sekoly ambony tsy miankina tamin’ity andiany faha 13 ity ny firoboroboan’ny fianarana ampitain-davitra. Tsy mila manatona sekoly intsony ny mpianatra fa avy hatrany dia mampiasa solosaina sy finday dia afaka mampiana-tena izy. Efa maro ihany koa ny fitaovana mifanaraka amin’ny teknolojia azon’ny tanora hampiasaina amin’ny fanatevenana ny fahalalany eto Madagasikara », hoy Andriamahatsangy Lahatra, filohan’ny Mada jeune, omaly, tetsy Antaninarenina.
Nilaza ny tompon’andraikitra fa nitombo ny ivon-toeram-pampiofana handray anjara amin’ny hetsika amin’ity taona ity ka nahatratra 55 izany. Niampy ihany koa ny sampam-pianarana vaovao hita ao amin’ireo oniversite.
« Ireo oniversite manana fankatoavana amin’ny fanjakana ihany ny fisokafany sy ireo manana diplaoma miditra amin’ny ara-dalàna ihany no raisinay handray anjara amin’ny hetsika », hoy hatrany ny tompon’andraikitra.

F.R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Trending Articles