Tamin’ny Taonjato faha-19, dia tatsy amin’ny Nosy Maorisy no niantrano ireo Malagasy nalefa hianatra asa-tanana samihafa. Tany ihany koa no nalefa nianatra ireo zandrin’ny Mpanjaka Radama I. Noho ny kirin’i Robert Farquhar, Governoran’ny Nosy Maorisy ary Solontenan’ny Mpanjaka Britanika, no nahatonga an-dry kambana Ravoalavo sy Ratotozy, anaram-bosotra alohan’ny naha Rahaniraka sy Raombana azy taty aoriana rehefa lehibe, nalefa nipetraka tany Englanda. Rehefa tafaverina an-tanindrazana izy mirahalahy, sivy taona taty aoriana tamin’ny taona 1829, dia nankinina taminy ny fampianarana ireo Tanora hitantana ny raharaham-panjakan’i Madagasikara, nanomboka andron-dRanavalona reniny ka hatramin’ny filavon-defona taona 1895.
Madagasikara lasa zanatany frantsay. Maorisy teo anaty vahohon’ny Commonwealth britanika. Tsy nifanojo firy intsony ny làlana raha tsy fitopolo taona taty aoriana. Ny olona efa lehibe atsy Maorisy gaga foana rehefa mahita indray an’i Madagasikara ankehitriny. Ohatran’ny te hanontany hoe «Fa nataonareo inona ity Tany ity !». Ny tena kosa menatra rehefa mitantara izy hoe taty amintsika no nandranto Oniversite tany amin’ny taona 1970. Menatra, satria izy nisondrotra, isika nitambotsotra ka ankehitriny isika indray no miandrandra ny any aminy. Ohatra iray tena lehibe dia ny mikasika manokana an’i Air Madagascar andaniny, ary Air Mauritius ankilany. Ireo olon-dehibe nanorina io Air Madagascar io dia mahatadidy fa ny Malagasy no nampianatra ny mpiasan’ny Air Mauritius. Ankehitriny, raha mitsipozipozy zara fa manana fiaramanidina isaina amin’ny rantsan-tanana sisa Air Madagascar, Air Mauritius kosa, na mandalo fahasahiranana ihany koa aza, afaka mampandre fa mikasa haka Boeing 787 na Airbus A350, ary tsy misy mitsiky tsy ravo na mikakakaka maneso. Raha manisa akotry isika, firy no fiaramanidina tsy maintsy aiditra «maintenance» ka iza sisa no hitondrana mpandeha, Air Mauritius dia mbola mandrary tranokala amin’ny firenena 21, hatrany Eoropa, Azia, Aostralia, Afrika.
Mitamberina ao an-tsaina avokoa izany fampitaha izany nandalo omaly tetsy Soarano. Heno mantsy fa, tahaka ny Tanan-dehibe rehetra, hipoka fiarakodia ihany koa ny ao Port-Louis, renivohitr’i Maorisy. Mitohana tanteraka ny fifamoivoizana. Saingy, raha isika mihazakazaka manototra tanimbary sy honahona andro fahavaratra, ry zareo hanorina «fly-over» hanokanana vola (roa hetsy tapitrisa ariary). Tsotra ara-kevitra ny fly-over, satria atao izay tsy hifanapahan’ny lalana roa, fa atao ambony sy ambany. Azo heverina izany etsy amin’ny sampanana Antanimena-Ankazomanga andaniny, ary Behoririka-Ankorondrano ankilany. Na etsy amin’ny fitohanana mampiteny ny moana, tetezan’Anosizato sy tetezan’Ampasika. Ary indrindra etsy Soarano : izay avy atsinanana hiankandrefana tsy hatao hifanapa-dàlana avy amin’izay avy avaratra ka hianatsimo, fa ny fifanapahan-dalana no miteraka fitohanana, indrindra raha tsy mahay mifandefitra mba mifandimby mandroso ny mpamily.
Kivy sahady aho raha mahita ny etsy Soarano. Tahaka ny mahakivy amin’ny etsy Ankadimbahoaka. Nandany vola sy fotoana tahaka izay ihany, dia ireo ve no zava-bita ! Raha avy any Ankaditoho ka hianatsimo ho any Tanjombato dia sady mampihomehy no mahatezitra ny kitoatoa voatery ataon’ny mpamily eo Ankadimbahoaka. Nokasaina hoe lalana efatra milahatra ny etsy Soarano saingy iaraha-mahita fa raha avy aty amin’ny Lycée Rabearivelo ho any Vassacos dia mikatona ho roa sahady vao eo amin’ny «Immeuble Ramaroson» ary tsy misy afa-tsy lalan-tokana sisa rehefa mandalo ny Tsena Pochard satria feno sarety maka sy manatitra entana ny lalana iray, ny mpihinana vary mitsangana mijoro anaty lalana rahateo, ny sareti-olona sasany aza moa manao «sens interdit» tsotra izao.
Ny «fly-over», ny «rocade», ny «autoroute» kasaintsika angamba aloha mbola nofy. Satria mbola fanaovana masikita ny «trottoir», mbola famelarana voamaina ny arabe, mbola fangalana parking ny «voie rapide». Mbola nofy ny hitovy amin’ny lamina tafapetraka atsy Maorisy raha tsy ao an-dohan’ny tsirairay mihitsy no tafalentika ny fiovan-toe-tsaina.
Nasolo Valiavo Andriamihaja