Efa olona dimy sahady no namoy ny ainy noho ny nafitsokin’ny orana hatramin’izay niandohan’ny fahavaratra izay any Antsirabe.
Ratsy fiatomboka. Vao niandoha dia efa namoizana ain’olona dimy sahady ny fahavaratra any amin’ny faritra Antsirabe sy ny manodidina. Mivatravatra fihavy ombana havandra sy kotro-baratra mahery hatrany ny rotsak’orana izay nanomboka nilatsaka andro maromaro izay. Naharitra ora roa sy sasany mahery io filatsahan’ny orana sy
havandra io Antsirabe ny tolakandron’ny alakamisy teo ka tamin’izany no namoizana ain’olona iray tany Andranomandevy.
Raim-pianakaviana mpitarika sarety tanana io niharam-boina io. Raha ny filazan’ny loaharanom-baovao dia tratran’ny orana teo am-panamboarana kodiarana ity lehilahy ity. Nilaza ho nangatsika vokatr’izany izy ka nisotrosotro nialoha ny nialofany. Tampoka teo anefa, efa nianjera tao anaty lakan-drano izy no hitan’ireo manodidina teo. Niezaka nitana azy ihany iretsy farany saingy nahery loatra ny rano ka tsy tana izy. Efa ho tany amin’ny 150 metatra niala ilay toerana nianjerany vao nisaringotra tamin’ny hazo taminà toeram-pivarotana iray izy.
Mpiray tampo
Ankoatra ny ranon’orana teto Antsirabe dia olona efatra ihany koa no fantatra fa matin’ny varatra tany Betafo sy ny manodidina. Lehilahy lehibe iray tao Ambodifarihy Betafo ihany no namoy ny ainy noho ny toetr’andro tamin’io alakamisy io ihany. Nivoaka ny trano saika hitery ronono teo an-tokontany izy no nilatsaham-potaka.
Ankizy mpiray tampo 4 mianadahy avy any an-tsaha ka niara-nialoka teo ambody hazo tao Ambodihady Betafo ihany koa no mbola nilatsaham-potaka ny tolak’andron’ny alarobia teo.
Angola Ny Avo