Quantcast
Channel: L'Express de Madagascar
Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Miverina amin’ny taniny ny rano

$
0
0

Ny alin’ny talata no nanomboka nijojo ny orana. Tsy ritra ny lanitra raha tsy ny harivan’ny alarobia. Nalahelo aho nahita an’Ikopa saika maito, roa volana lasa teo izay. Izao izy anatin’ny heriny tsara tokoa. Feno amin’ny maha ony azy, voky ranon’orana, matevina tonga namana. Tsy ny rano no masiaka fa ny olombelona no milingilingy. Ity lahatsoratra ity dia efa nosoratana tamin’ny 16 janoary 2015. Roa taona lasa. Mbola azo avoaka indray afaka roa taona manaraka. Asa raha hitombo hadalana ihany isika, na hiaiky amin’izay fa rano, rano daholo, rano avokoa, izao tanimbary sy heniheny nototototofana izao.
Tondraka ny faritra iva, dibo-drano Betsimitatatra, fa rano mantsy teo fahiny.
Natao zinona ny ron-doha lany tamin’ny «Développement urbain d’Antananarivo», projet MAG 79/009 (1980-1982) sy projet MAG 82/009 (1983-1985) izay namaritra mazava fa hadalana tsy roa aman-tany io fanotofana tsy misy farany an’i Betsimitatatra io. Nisy ihany koa hevitra naposaky ny Banque Mondiale (Rapport 8152-MAG, Projet de développement de la Plaine d’Antananarivo, 23 février 1990) izay toy izao no vakiny : «L’occupation urbaine requiert des remblais dont Ie volume est ainsi prélevé sur la capacité d’emmagasinement de la plaine en période de fermeture de vannes. (…) Une autre forme d’occupation non agricole de la plaine est l’installation de construction sur les berges exondées des canaux (…) ces constructions détériorent les canaux, par éboulement des berges et rejet d’ordures, et elles en empêchent l’entretien normal. Devant le cout d’une politique de remblai systématique préalable à l’installation urbaine et la répétition d’inondations périodiques, les autorités hésitent ou se refusent a officialiser l’urbanisation de plaine, à juste titre. Mais les conséquences de cette position juridique sont que les installations, qui se font malgré les interdictions, sont irrégulières, se localisent de façon quelconque, ne réservent aucune emprise pour une voirie future; ne bénéficient pas d’un effort régulier d’équipement (pp. 88-89). La plaine est appelée à s’urbaniser, plus ou moins vite selon la santé de l’économie, mais le potentiel des 300 ou 400 hectares de la partie Sud représente en tout état de cause le besoin en terrains d’une seule année de croissance de la ville (…) une officialisation de l’urbanisation, ce qui est de beaucoup préférable à une urbanisation irrégulière, mais irrépressible sous la pression foncière du centre ville. En particulier, la combinaison des travaux et de l’officialisation réorienteront l’occupation du sol vers des usages et des catégories sociales mieux à même de payer les couts exigés par les remblais et les réseaux» (p. 97).
Ny fanotofana etsy atsimon’Ankadimbahoaka ka hatreny ampototr’Isoavina sy izay manodidina an’Alasora sy Imerimanjaka ankehitriny dia io voalaza farany io : izay manana ny ampy, mahefa ny vidin’ny fanotofana faobe, ary mahazaka ny fametrahana ny kojakoja rehetra manara-penitra mifanindran-dalana amin’ny fipetrahan’ny olona no ho omena vahana. Tanteraka izany ankehitriny, 25 taona aty aoriana.
«Iny Betsimitatatra iny», 26 aogositra 1997 : tsaroako hoe 18 taona lasa aho no namalan-kira nanaitra mikasika izao mitohaka an-tenda ankehitriny izao : jereo koa Chronique VANF, «Le laisser-empirer ou l’urbanisme pathologique d’Antananarivo», 13.08.2001. «Remblayez, remblayez toujours», 11.11.2002. Lany rora niresaka rano.
Tanimbary 34.000 hektara i Betsimitatatra tamin’ny 1985, telopolo taona lasa izao. Tao anatin’izay telopolo taona izay, dia nitohy tsy am-piheverana loatra ny fanotofana izay niatomboka tamin’ny nametrahan’i Gallieni ny gare Soa-RANO (1909). Ny BPPA dia mbola nahita tanimbary 3.000 hektara, ampahafolony, tamin’ny 2002. Firy hektara sisa ny tanimbary etsy Betsimitatatra izao taona 2015 izao Tsy Betsimitatatra ihany, fa jereo manodidina an’Alasora sy Imerimanjaka. Miandry izay fidonany Laniera-Ambodifasina.

Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja


Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398