Mahalasa adala ny fivavahana raha atao lahasa sy «latasy». Indrindra raha raisina ara-bakiteny avokoa izay voasoratra anatin’ny boky lazaina fa masina. Mainka koa raha ekena anjambany izay rehetra lazain’ny mpitondra fivavahana.
Ankatoavy aho, hasino aho, tompoy aho. Araho fotsiny ny teniko ary vonoy ny feon’ny fieritreretanao. Avelao ny fianakavianao ary arosoy ho ahy ny fanananao. Mampatahotra ahy ny olona sahy misavika tahaka izany ny sain’ny hafa. Ary mampanahy ahy ny olona mandrorona ny maha olona azy ka mitovy amin’ny omby : atao havia, dia havia ; alefa havanana, dia havanana.
Nalaza tato ho ato ny mpitondra «fivavahana» sasany : ny iray hoe hamono tena sy etsetra rehefa avy namabo zaza amam-behivavy malemy saina ; ny faharoa hoe hilatsaka Filohan’ny Repoblika hono.
Misy koa aza mangataka an’i Mompera Pedro hilatsaka ho fidiana : nahavita be tokoa ho an’ny tsy manan-kialofana ny tenany, saingy anjarany ve anefa no hitantana firenena Vao haingana no nodimandry Frère Fazio, nitaiza tanora maro tamin’ny fanatanjahantena :
Saint-Michel Amparibe (1960-1985), Saint-François Xavier Fianarantsoa (1985-2000) ary mpanorina ny FIMPIVA misahana ny fiverenana any ambanivohitra hifototra amin’ny fambolena sy fiompiana. Jezoita isan’ny nampianatra ahy tao amin’ny
Saint-Michel raha i Frère Fazio saingy tsy ho alehan’ny lohako mihitsy ny hiantso azy hitondra Fanjakana.
Tokony tsy hafangaro ny fivavahana, izay safidin’ny tsirairay, sy ny raharaham-panjakana fandaminana firenena manontolo. Alaina ho ohatra sy hifampitaizana ny toetra mendrika asehon’ny tena misionera tahaka an-dry Pedro sy Fazio ary ireo marobe nahafoy ny ainy ho an’ny Tany tsy azy akory : fahafoizan-tena, fanetren-tena, fikatsahana ny soa iombonana, fitsinjovana ny mananon-tena sy ny kamboty, fitiavana sy firaisankina. Fa aoka tsy izy tenany no ho atao sary vongana hiankohofana.
Matoa olona marobe no mifikitra amin’ny fiangonana zandriny etsy sy eroa, ny sekta isan-karazany ary ny mpaminany sandoka maniry ohatra ny anana, dia efa alohalika
mila handifotra azy ny fahasahiranana sy
famoizam-po.
Ny fanabeazana azoko sy ny fianarana nodiaviko, ny boky rehetra nivahinianako maneran-tany sady nitetezako ny
Tantara nodiasan’ny zanak’olombelona, no ahasahiako miteny fa na hivavaka
marain-tsy hariva, eny tontolo andro aza mandavataona, tsy ho izany no hiarenan’ity Nosy ity. Mila mpitondra manana toetra «masina», araka izay efa voatanisa etsy ambony : tsy tia tena, tsy tia kely, tsy mangalatra vatosoa sy andramena, tsy manodinkodina ny volam-bahoaka, tsy mivarotra tanindrazana ary mitsinjo izay lova ho avela ho an’ny taranaka handimby. Mila mpitondra manana toetra «masina» fa tsy «olo-masina» ho atao andriamanitra kely hanao izay danin’ny kibony.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja