Nandrava ireo trano tsy ara-dalàna teny Ankadimbahoaka sy Saropody omaly ny kaominina Antananarivo renivohitra. Fianakaviana maro no rava trano sy tsy manan-kialofana.
Tonga masiaka. Nihatrana vao maraina, tokony ho tamin’ny 5 ora teny Ankadimbahoaka, ireo polisy monisipaly niaraka tamin’ny vaditany sy ireo tompon’andraikitra hafa teo anivon’ny kaominina Antana- narivo renivohitra. Avy handrava ireo trano tsy ara-dalàna no anton-dian’izy ireo. Niaraka tamin’ireo tompon’ andraikitra isan-tsokajiny ireo ihany koa ny fiara lehibe iray misy taho fandraofana, sy ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Reg. Minitra vitsy no nomen’ireo tompon’ andraikitra an’ireo olona mbola tao anatin’ny trano, hivoahany sy hamoahany ny entany. Niroso avy hatrany namelona ny fiara sy nandrava ireo trano efa voatondro horavana izy ireo tao aorian’izany.
« Ny maha-tsy ara-dalàna ireo trano ireo no antony nandravana azy. Eo ambony tatatra mantsy izy ireo no miorina, ka mba tsy hisian’ny olana be toy ny tondra-drano nisy tamin’ny fahavaratra farany teo, izay nahadobo trano maro no anton’izao fandraisana fepetra izao », hoy ny lehiben’ny vondron’ny polisy monisipaly, ny kaomisera Andriasamitsoa Bien Aimé, izay teny an-toerana omaly. Araka ny nambaran’io tompon’andraikitra io hatrany, sy ireo antontan-taratasy nisy teny amin’ireo tompon’andraikitry ny lalàna teny an-toerana, dia efa fotoana ela no nanomezana fampitandremana ny tompon’ireo trano noravana ireo, saingy tsy nanaja izany izy ireo.
Gina tsy nahateny
Nanoloana ny zava-nisy izay tampoka, dia gina tsy nahateny sy tsy nandrenesam-peo ireo tompon’ny trano rava teny Ankadimbahoaka. Nampiaka-peo kosa ireo olona voakasika teny Saropody.
« Tsy hay izany izahay izao hoe ho aiza miaraka amin’ireto entana sy ny ankizy. Ho eo amin’ny arabe angamba izahay no hatory, satria tsy manana toerana hisitrihana. Tokony mba nampiomanina mialoha izahay nijerenay toerana vonjimaika aloha, satria ny mpanararaotra izao betsaka », hoy Randriamananjara Eddy, isan’ireo rava trano teny Saropody. Ireo olona sendra nandalo teny an-toerana ireo kosa, dia nitsara ny zava-nitranga ho fanaovan’ny fanjakana tsinontsinona ireo vahoaka.
Raha ny fanamarihana nataon-dRakotovao Rivo, minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoha sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, nandritra ny fihaonany tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc teny Anosy kosa, dia baiko avy aminy sy ny fifampiresahana nataony tamin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, no anton’ilay fandravana trano teny Ankadimbahoaka sy Saropody.