Quantcast
Channel: L'Express de Madagascar
Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Hetsika mampiray fomban-drazana sy tontolo iainana

$
0
0

Telo andro no nanehoan’ny foko Sakalava ny fomba amam-panaony miaro ny tontolo iainana. Nanomboka tamin’ny faha-26 novambra ary hifarana anio ny Hetsika Vorofaly.

«Raha tsy misy intsony ireo karazan-java-boahary sy ny biby miaina ao anaty ala dia mandringa ny fomban-drazana sakalava sy ireo Ampanjaka». Izay no fanambaran’ny Ampanjakan’ ny Sakalava Bemazava, Tsimanendry sady Rangitsy na Tandapa, sy Rakotoson Pierre Barotho, solontenan’ny Ampanjakan’ny Sakalava Marambitsy, raha nanazava ny anton’ny hetsika Vorofaly tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny biraon’ny fikambanana ara-tontolo iainana Komanga Mahajanga, izy ireo ny 23 novambra lasa teo.
Entina mampiseho ny mampiavaka ny fomban-drazana sakalava eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy mampahafantatra ny harena tsy manam-paharoa eto Madagasikara misy ao amin’ny Faritra Arovana Vaovao Mahavavy-Kinkony sy Antrema (FAV-MKA) ao Mitsinjo ny Hetsika Vorofaly. Tamin’ny alarobia faha-26-n’ ny volana novambra no niandohan’ny hetsika ary mitohy hatramin’ny androany asabotsy 28 novambra.
Fitambarana renirano sy farihy, manana velaran-tany 302 000ha Mahavavy-Kinkony.
Mahasaro-piaro
Ny vorofaly no anisan’ny zava-manana aina mampiavaka azy ity. Ala manana velarana 23 000ha kosa Antrema, ary ny karazan-gidro sifaka no mampalaza azy. Samy voafaritra ho faritra arovana tamin’ny volana aprily lasa teo ireo faritra roa ireo.
Mahasaro-piaro ny foko sakalava ny fandrama na tantely, ny sifaka na akomba fotsy, ny vorofaly, ny
fanihy na ramanavy ka tandrovan’izy ireo fatratra. Ankoatra izay, ny fanaovana trano hazo amin’ny katrafay, sohy, komanga, ary ny hazo manary na voamboana dia anisan’ny fady ary mamono ho azy ireo, noho ireo hazo ireo manana lanja ambony eo amin’ny kolon­tsaina sy ny fahasalamana.
Ny tetikasa Sifaka ao Antrema sy ireo mpisehatra amin’ny  fiarovana ny tontolo iainana sy ny zavaboahary ary ny PAGE (Programme d’appui à la gestion environnementale)-Giz no mitantsoroka ny fanatanterahana ny Festival Vorofaly.
Mifanojo indrindra amin’ny fampiharana ny politikan’ny fampandrosoana hanatsarana ny fiarovana ny ala sy ny zava- manana aina arovana ny hetsika Festival Vorofaly.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Trending Articles