Quantcast
Channel: L'Express de Madagascar
Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Tolo-tanana ho an’Androy – Antapitrisany ny vola voaangona

$
0
0

Nandritra ny telo andron’ny hetsika fifanoloran-tanana ho an’ny ankizy mpianatra any Androy. Betsaka ny zavatra voahangona ankoatra ny vola mitontaly 12 510 000 ariary.

Voalaza fa manodidina ny 12 510 000 Ariary ny vola voa-angona hatreto ho an’ny ankizy mpianatra, any Androy. Eo koa ny voamaina sy ny haninkontrana, izay mitontaly eo amin’ny 220 kitapo eo. Tsy adino koa ireo entana fampiasa amin’ny andavanandro (Ppn), toy ny savony, siramamy, sira sy ny sisa. « Tanjona amin’ny hetsika ny hanampiana ny ankizy mpianatra any Atsimo, hampirisihana azy ireo hianatra sy hazoto hatrany, na dia eo aza ny hanoanana», hoy hatrany Rakoto­malala Roger.
Fifanomezan-tanana sy fifandrimbonana no hatao. Samy manatitra izay tsirambin’ny tanany ny tsirairay. «Misy voatabia am-by fotsy no aterin’ny sasany, fa raisina am-pitiavana daholo izay foin’ny olona », hoy hatrany ity
tompon’andraikitra ity. Hita mandray anjara avokoa ny sampan-draharaha rehetra. Hatreto, ny eo amin’ny lafiny fampianarana no tena mibahan-toerana, na sekolim-panjakana izany na sekoly tsy miankina. «Natao indrindra hanehoana firaisankina sy fifanampiana izany», hoy Rakotomalala Roger, tompon’andraikitra ao amin’ny Def/Men, Antananarivo.
Hitohy ny hetsika
« Ny 11 febroary izao no haterina mivantana any Atsimo ny fanomezana vokatry ny fifanoloran-tananan’ny rehetra», hoy Tantely Andriamandri­manana, mpiandraikitry ny serasera ao amin’ny Def/Men namarana. Hotohi­zana hatrany ny hetsika fanentanana ny rehetra. Vary miisa 52 kitapo no natolotry ny fitondram-panjakana. Miisa 30 mahery koa ny sekoly nandray anjara hatreto.
Misy fiantraikany goavana amin’ny fianaran’ny ankizy ny hain-tany any Androy. Manamarina izany ny nambaran-dRakoto Jean de Dieu, talen’ny sampanasam-paritry ny fanabeazana (Dren) Androy, tamin’ny sabotsy teo, hoe: « Ankizy miisa dimy sisa no mijanona mandram-pifaranan’ny taona, raha miisa dimampolo izy ireo any am-boalohany, ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra (Epp) Andrananivo ». Manoloana izany, tsapa ny eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazana fototra ny olana sedrain’ny any Atsimo, ka izany no anton’ity fifanoloran-tànana « téléthon » ity. Nanomboka ny sabotsy 23 janoary teo ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alarobia 3 febroary izao izany. « Maro ireo tratran’ny hain-tany any Atsimo, saingy natokana ho an’ny ankizy mpianatra any Androy aloha ny hetsika tamin’ity, fa manaraka eo ihany koa ny an’ny faritra hafa », hoy Rakotomalala Roger, tompon’ andraikitra ao amin’ny Def/Men, Antananarivo.
Malalanirina Nandrianaina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Trending Articles