Quantcast
Channel: L'Express de Madagascar
Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Misesy ny vaky trano ao Antsiranana

$
0
0

Tranona mpanakanto iray no lasibatry ny jiolahy omaly tao amin’ny Cité Lazaret Atsimo. Voaroba ihany koa ny “cyber-café” iray tao amin’ny Cité ouvrière.

Tsy  misy  andro  tsy  hahenoana trano voaroba na trano  nidiran’ny mpangalatra ao Antsiranana tato  ho ato. Tranona mpihira malaza anankiray no lasibatry ny jiolahy omaly tamin’ny 1 ora sy sasany maraina tao  amin’ny  Cité SIM-Lazaret-atsimo.
Nisy jiro nirehitra eo an-tokontany saingy nesorin-dry zalahy  moramora ny takamoa, avy eo nosokiriny tamin’ny  baramina ny  varavarana. Tora-bato variraraka no nanakanany ireo  olona sasany amin’ny efitra  mifampitohy mba tsy hivoaka ny  trano.
Vono sy daroka avy eo no nihatra tamin’ny rain’ilay  mpanakanto sy ny zandriny  lahy rehefa tafiditra an-trano ireo jiolahy. Tsindrona baramina tamin’ny ranjony no azon’ny rahalahin’ilay mpanakanto raha ratra be teo amin’ny  lohany no nanjo ny rainy. Very tao anatin’ity fanafihana ity ny  solosaina sy ny  finday tao amin’ilay tokantrano voatafika.
Fantatra ihany koa fa tokantrano telo nifanakaiky tamin’ilay tranona mpanakanto no efa saika lasibatry ny jiolahy tamin’io fotoana io. Saingy tsy lasa lavitra ireo mpanao ratsy noho ny antsoantso efa nivoaka tao amin’ny trano voatafika voalohany.
Fisafoana
Nitrangana fanafihana ihany koa afak’omaly tao  amin’ny  Cité ouvrière, ary irony «cyber café» irony indray  no  notafihan’ny jiolahy. Lasa daholo ireo solosaina rehetra tao  amin’ilay toerana. Ankoatra ireo ny tranga vao tsy ela tany  Lazaret-avaratra sy  Tanambao-5.
Tsy vitan’ny manafika fotsiny ireto mpandroba sy mpangalatra ireto fa mampitahotra mihitsy tahaka ireny dahalo ireny. Andefa­san’izy ireo hafatra avy amina finday takona anarana ny mponina alohan’ny hanafihany. «Ho avy  tsy  hoe ela izahay hitsidika ny  tokan-tranonao», no hafatra fohy alefan’izy ireo.
Mandry an-driran’antsy araka izany ny  mponina ao Antsiranana. Manao fisafoana ihany ireo mpitandro ny filaminana, saingy toa tsy mahataitra ireo olon-dratsy izany. Tsy ampy fitaovana rahateo izy ireo ka toa tsy ahoan’ireo jiolahy ny hetsika ataony.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 13398

Trending Articles